Entrée | 1 Feo mahery |
Mots élémentaires | 2 feo, 3 mahery |
Partie du discours | 4 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 5 Littérature: poèmes |
Auteur |
6 Razakandraina Jean Verdi Salomon |
Texte complet |
7 Ry fanahy mitanondrika, ry fanahy mahonena, 8 Fantatrao fa tsy eto no toerana doria ... 9 Fa ny aina dia nindramina, ka ho vovoka ny tena ! 10 Kanefa aza very toky, matokia! 11 Ny malalanao anie, raha lasa, mialoha, 12 Fa tsy hoe afoy tanteraka: any hihaonanao aminy! 13 Ny nofo ihany no an'ny tany, hody tany ka ho lo; 14 Ny fanahy kosa tsy eto fa any an-danitra no taniny … 15 Tsy ny fahafatesana eto no atao ho fahavoazana ... 16 Fa ny diso lalam-piainana no ho diso tanindrazana 17 Tsy hihaona amin'ireo malala efa mialoha. 18 Mangidy moa ny fisarahana ka tsy maintsy alahelovana! 19 Ny nofo anefa no afoy fa ho tratram-pahalovana! 20 Miandrandrà fa aza miondrika amin'ity nofo ho lo! |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |